Zom-pirenena frantsay

Karapanondrom-pirenena frantsay

Ny zom-pirenena frantsay dia sata faritan' ny lalàna frantsay izay ananan' ny olona na fikambanana na orinasa izay ny zo siviliny[1] dia fehezin' ny Code civil ("Fehezandalàna Sivily") sy ny Lalàmpanorenan' ny Repoblika Frantsay, indrindra ny savaranonandon' io lalàmpanorenana io (Fanambaràna ny Zon' ny Olom-pirenena tamin' ny taona 1789) ho an' ny zo sivika na pôlitika[2]. Misy ny fitsipika sy fomba na fanao maromaro momba ny kolontsaina, izay tsy voaresaka amin' ny fomba mazava tsara ao amin' ny lalàna manan-kery, toy ny fitenenana ny teny frantsay izay vao nampidirina tamin' ny taona 1992 ao amin' ny andininy faha-2 amin' ny Lalàmpanorenana frantsain' ny 4 Ôktôbra 1958.

Ny zom-pirenena frantsay dia tsy ho an' ny olona ihany, fa ho an' ny fikambanana sy ny orinasa izay eo ambany fahefan' ny fitsarana frantsay sy fehezin' ny lalàna frantsay noho ny sata mifehy azy ireo, noho ny zom-pirenen' ny firaketan-draharaha isoratany sy noho ny toerana iorenany. Voakasik' izany koa ny fitaovam-pitaterana sasany (sambo, fiaramanidina, sns.) noho ny fisoratan' ny anarany sy ny laharany. Ny zom-pirenena frantsay dia mametraka ny olona sy ny fikambanana ary ny orinasa eo ambanin' ny zo sy ny fanao ary ny adidy mifamatotra amin' izany.

Tsy misy ny zom-pirenena eorôpeana, fa ny zom-pirenena frantsay dia mahatonga ny mpisitraka izany ho olom-pirenen' ny Vondrona Eorôpeana, antsoina hoe olom-pirenena eorôpeana, izay manome azy ireo ny zo ho mpifidy sy ho azo fidina any amin' ny firenena rehetra ao amin' ny Vondrona Eorôpeana, ao amin' ny Antenimiera Eorôpeana ary ho kandidà amin' ny toeran' ny mpiasa na mpitsara ao amin' ny Vondrona Eorôpeana.

  1. Ny zo sivily na ny lalàna sivily dia mahakasika ny fiainana andavanadron' ny olona: ny fahaterahana, ny asa, ny fiainam-pianakaviana, ny fananana, sns.
  2. Ny zo sivika sy pôlitika dia ny fahafahana: mifidy, milatsaka ho  fidina, manao ny asan' ny mpitsara, mijoro vavolombelona eo anetrehan' ny fitsarana, mitondra fitaovam-piadiana, mirotsaka ao amin' ny tafika, misahana raharaha fampianarana, sns

© MMXXIII Rich X Search. We shall prevail. All rights reserved. Rich X Search